You are here: home > Vetso

NY FONAO... HO ANJARAKO VE? - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

NY FONAO... HO ANJARAKO VE?

mbola malalaka va ny fonao
r'ikalamanja hitempon'ny foko
sa efa tinerin'ny fitia maro loko
ilay toerana mamy niriako hatrizao?

toy ny amboara iadiana eran-tany
ilay fonao mitempo tinokam-pitia
toa hifandrombahan'ny olona tia
no sady totofan'ireo teny mamy

samy teny roa no hafafiny ho anao
fa ny safidin'ny fo dia tokana monja
ka na inona na inona teny mafonja
dia tokana ihany ny safidinao

Nosoratan'i R'AIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
13-01-2021




Hametraka hevitra

Midira aloha