NISY SORATRAO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY SORATRAO!

nisy soratsoratrao
tavela tato am-poko
tsy haiko nohadinoina
tsy haiko nofafàna
f'efa solona fitomboka
mamaritra ny foko

nisy soratsoratrao
tavela tato an-tsaiko
nohezahiko hadinoina
modiko tsy tsaroana
saingy efa toy haniko
ny soratsoratrao

nisy soratsoratrao
tavela tan-diariko
ireo sora-mitalaho
mitantara ny alahelo
no narafitrao an-dalana
hay ianao 'lay tena tia

nisy soratsoratrao
mitantara ny amintsika
narafitrao ho rima
toa miafina ao daholo
ny alahelonao rehetra
saingy ny sisa azo atao
ny mandinika mangina
izato soratsoratrao!

nosoratan'i R-R Mahavonjy Aimé
tanjombato 20-08-2019
--------
Rohy:
544 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159