POETA SY NY SARINY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POETA SY NY SARINY!

mba nanoratra izy
saingy!
tsy ilay ainga tao anatiny
no nanosika azy hanoratra
fa noho ny alahelo anaty
noho ny ratram-po tsy tanty
dia nitsiry tao an-tsainy
ny hamadika ho rima,
ny lalan'ny fitiavany.
ary lasa anton'asany
ny manandratra ny peniny
ho eo ambony taratasy
mandany ranomainty
mitanisa vetsom-po
ka mandefa ireo vinany
henoy ange ny kalony e!
toy ny raozy kely iray
novolena an-jaridaina,
hoy izy ny fitiavana
ka raha sendra danik'andro
dia miha-maina taho
raha sendra rivotra mahery
dia manitsan-dravina irery
tsy laitra nofafàna
ireo lasa nampanesina
toa sarotra hadinoina
ny lasana tsy hiverina


Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
29-10-20
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - fiainana - embona - Alahelo
732 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152