SATRINAY IANAO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Azo vakiana?
SATRINAY IANAO!
satrinay poeta,
ianao mianoka hatrany
ny kalo tsara rindra
satrinay poeta
hizara hatrany hatrany
ny kanto tsara indrindra
ny tanjonay poeta
dia ny hitondra anao
hitety ny habakabany
ary sitrakay poeta
ny ho eo anilanao
hampiaina ny tantarany
maminay poeta,
ianao ilay mankamamy
ny antsa tononkalo
satrinay poeta
ny hiantsehatra hatrany
hizara kalokalo
Raim's Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
22-04-2022
Sokajy :
Aingam-panahy, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 22/04/2022
Mpamangy : 227
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RAHA SENDRA KA...! (ilay Barea)FANIRIAKO
NOFY MITONDRA MANKANY
TAKARO
ILAY AINA
ITY TANINTSIKIA ITY
ILAY SARANGA TSY MITOVY
MISY
NY TENY SY TANIKO
INAY AHO