TSY RARINY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy rariny mihitsy
raha ny nataonao tamiko
kanefa niniako mba nikipy
tsy ahita ilay adisonao izay tsy tantiko

tsy rariny fa niafiko
ireo ditra vitanao
ka na ho zary fijaliako
aza dia heveriko ho toy ny kilalao

tsy rariny fa nozakaiko
ireny ompa izay nasetrinao,
nefa na dia nankarary ny aiko
aza dia noraisiko ho fiteny vaovao

tsy rariny ka naleoko nangina
tsy hiteny ary tsy hitanisa intsony
ireo ditra sy adalàna izay niniana
natao ka nandaozako izany fony

tsy rariny kanefa akory ataoko
ka ataovy izay mety, manarana fo
amin'ny sitra-po, fa esoriko tsy ho eo anoloako
ilay endrikao kanto tsy mba mitondra soa

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato, 10 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
836 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154