HO AN'I DOX (NY HERIMAR)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'i Dox, Ny henonao tamin'izay,
Mbola saka sy totozy;
Fa amin'izao andronay,
Olombelon-tsy mataho-tody.
Faly fotsiny haka ho azy,
Tsy mieritreritra ny hafa;
Tsisy iraharahiany izany fady,
Ny ao an-tsainy fotsiny ho tafa.
Fa tena vitany ange
ny manankalo anao seza...
Samy te hanam-be
Nefa ny zaraina tsy ngeza.
Ny tontolo koa niova,
Ny toetr'andro tsy lazaina,
Hijaly hatrany ny mpandova
Amin'ity tany karakaina.
Eo an-tokontaninareo aza
Tsisy maitso intsony mitsiry;
Ilay paiso mamy fanta-daza,
Efa nokapain'i Dadatsiry.
Raha ny vorona mivazo,
Efa ela 'reo no nisitaka;
Ny rantsana aza dia nalazo,
Nodoran'ny olona mpamitaka...
Izay sisa Dox no aty,
Somary kely mahonena;
Ny mandefitra atody miady am-by
Ka efa maro ireo namono tena.
NY HERIMAR
13 Janoary 2023
00:59 ora
#DOX_110_TAONA
--------
Lien: