NOFIKO OMALY ALINA (NY HERIMAR)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFIKO OMALY ALINA

Nanonofy aho omaly,
Nanonofy tena tsara;
Nofy tena nahafaly,
Ilay izaho tany Gasikara.

Nanonofy nanao vakansy
tany an-tanindrazana;
Tsy akory ka mpimasy
fa milaza izay tazana.

Dia faly ireo zoky,
Dia ravo koa i zandry;
Dia izaho toa natoky
hany ka tafandry.

Vory ny tanana
fa namangy, hono, izaho;
Dia natao ny korana
fa nivaly ny talaho.

Dia nahita ny tiana,
Dia niray ho mpifamofo;
Nifanaiky tampitsikiana,
Dia lasa iray nofo.

Tsy hitahita akory
Toa tapitra ilay fotoana;
Hay nofy lohantory
ity nampiteny ny moana.

Dia gaga teo izaho,
Fa nankaiza izay olona?
Toa lasa tsahotsaho
nefa izaho efa vonona.

Dia izay ilay nofy,
Nofiko omaly alina;
Tsy nahandry lakolosy,
Mifono zava-dalina.

Ry Ray ao ambony,
Miangavy mitalaho;
Mba tsy ho nofy intsony,
Fa mba manina re aho.

Mba ataovy tanteraka
Iny vinavina nofy,
Ka ity saina efa reraka,
mba tsy hanary toky.

Fa anao anie ny dera,
Anao koa ny laza;
Ataoko an-teny era
Ity hatak'ity zaza.

NY H.
22/07/2019
--------
Rohy:
544 1
Mpakafy: Herimar
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 07/09/2019 08:06
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159