TARATASY HO AN-JANAKO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARATASY HO AN-JANAKO.

Zanako,
Tsy ho mandrakizay ny fahazazanareo,
Tsarovy fa mety ho mafy ny zavatra hiseho;
Tsy voatery izay irina no tamy eto an-tany,
Saingy ravaho tsiky na fery na tomany.

Tsy fahombiazana omaly andraisana lesona,
Aoka ho mahitsy, tsy ho olo-mpampiesona;
Ny manao ny marina, tahin-janahary,
Ho lavitra anareo ny fo ory sy mijaly.

Ho tanora ianareo, hitia ihany koa,
Izay irin'ny fonareo, toa meva avokoa;
Saingy izao zanako, mitandrema re fatratra;
Tsy tiako mantsy ianareo ho solafaka.

Ry anako lahy, hitia ianao vehivavy,
Kanefa ataovy an-tsaina fa manana anabavy;
Ny mivoady mampanantena ny tsy misy eo an-tanana,
Ataovy lavi-molotra fa mpanimba fihavanana.

Fadio ny miala adidy, mba mahalalĂ  henatra,
Fa tsy ho zakanao izany ranomasom-peratra;
Ny lasan'ise no ataovy fakana anatra,
Idadabenareo jereo atao fitaratra.

Ry anako vavy, hitia ianao lehilahy,
Ny hilaozan'izy ireny aza atao hampanahy;
Tandremo dia tandremo ny miatehitra aminazy,
Ny fitiavany mantsy miharo vazivazy.

Raha sanatria ilaozany, avelany irery,
Aza mivarilavo fa ianao tsy mba very;
Jereo ange i Neny namelona anareo,
Nigoka fahasambarana, lavitra toreo.

Izay no mba hafatro aminareo zanako,
Anariko sy koloiko satria mba fananako;
Mirary soa rankizy, mahazoa harena,
Ka tazomy hatrany ireo anatra nomena.

NY HERIMAR

Novambra, 10/2020
--------
Rohy:
383 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102