Ilay Andro Sarobidy (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry malala:

Indro ilay andro sarobidy
Izay natokana ho ahy sy ho anao
Ilay fotoana tena mamy sy ilay ora lafo vidy
Izay natoakana hanavaozantsika indray ilay fanekena vaovao

Anio no ora sarobidy izay ifanekentsika
Eto anatrehan'Andriamanitra sy ny fiankaviana
Ka ny endrika sariaka no andeha ho asehontsika
Dia ilay endrika mirana no sady feno fifaliana

Faly aho, faly ianao, faly ireo ray aman-dreny
Ka iza no tsy faly, iza no tsy revo anio?
Faly aho, izany no hany ambeti-teny
Ka tsy tanako fa ho zaraiko eto anio!

Ka ny andro lasa ho ataotsika ho fahatsiarovana
Tao ny ady izay natrehana, tao ny ngeja ny fiainana
Tao ady mafy, tao ny tsy fahampiana izay nolalovana
Kanefa ireny tsy natao nahakivy, toa tsy mba nitarainana

Indro mirana ny tavako
Indro mihira izany molotro
Ka ny kalo izay milaotra avy amin’ny vavako
Dia ny hiran’ny fitiavana no hany mba atolotro


nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
Copyright 2017
--------
Lien:
Catégorie : Fifaliana
1005 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147