SOMBINIAINA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOMBINIAINAanaka,
mbola tsy hary ianao
no efa nitsimoka
teo an-jaridainan'
ny fo mifankatia
hasambaran-tsy hay tohaina
no natosaky ny nofo
ka tonga hazavàna
nandresena ny aizim-pito
ka indro sombin'ny aina
avy amin'ny olon-droa
izay nitambatra ho iray
izay namolavola anao
ho tonga sombiniaina
ianao no tsangam-bato
nikirizana hatry ny ela
ianao no solon-tady
mamatotra ny fo
ianao no vona mampiray
ny fitiavan'olon-droa
Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 21-01-2020
--------
Lien:
Fans:
raims randriamalala
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Inséré par : raims randriamalala
Date : 21/01/2020 18:05
