TSY MISY LANJANY INTSONY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MISY LANJANY INTSONY!aiza izay lanjan'ny kanto?
aiza izay rindran'ny teny?
Toa vary mifangaro vato,
no amparitakareo eny ho eny
Tsy nasianareo lanjan'intsony
ny kanto narafitra ho teny
sa tsy tazan'ny mpitantana ambony
ny mahasarobidy an'ity fireneny?
indrisy, miparitaka antamba-jotra
ireo tononkira tsy hay hoe ahoana
ny adalan'ireo olon-kanosa
no mahasimba ny kanto isan-taona
ry tononkaloko aleoko misaona
ho ampanginiko aloha izato peniko
fa toa tsy maharaka vanim-potoana
Ilay rima mba hany rafetiko
RAIMS RANDRIAMALALA (Mahaonjy Aimé)
18/02/2026
--------
Lien:
Fans:
raims randriamalala
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Inséré par : raims randriamalala
Date : 18/02/2026 12:43
