ILAY DINAM-PITIAVAKO (NY HERIMAR)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
❤ILAY DINAM-PITIAVAKO❤

Malala a,
Tsapako fa maro ireo dona mahazo
Kanefa izany tsy hataontsika sakana;
Ny fitiavantsika tsy havelako halazo,
Izaho no mpamily ka ho tody ny lakana.

Na eo ireo mpankahala manaratsy lava,
Hosasatra izy ireny ary eo no ho menatra;
Fa ny dina ato am-poko tsy hisy haharava,
Tsy ho resin'ny ankaso ilay herin'ny peratra.

Malala a,
Matokia ahy fa mbola lava ny lalana,
Ny tokintsika roa hiara-hamakivaky ny ala;
Na hirongatra ny sampona ho tonga hitsivalana,
Vonona aho ho faty noho ianao ry malala.

Efa natolotro anao ny fitiavako rehetra,
Hafoiko ho anao koa ny fiainako an-tany;
Na hisolitika aza ianao, na sanatria ho voretra,
Aza manahy, izaho tsy handao izany.

Raha toa ianao lavo sendra rivo-tadio,
Antsoy izaho malala fa mbola vonjinao;
Koa raketo anaty diary ireo teniko anio
mba holovain'ireo taranaka sy ho zary fanao.

Malala a,
Ilay antsy nampiasaina tamin'iny mariazintsika
no andeha hanaperako ny aiko ato anaty
raha toa ianao mivadika amin'ireo voadintsika
fa izany re ny ahy no mba hany valifaty.

Ireo ny ahy no dina, ireo no dinam-pitiavako,
Ka hotanterahiko mandra-pialan' ny fanahy;
Koa aza be eritreritra akia rahavako
fa izaho efa anao ka esory ny ahiahy.

NY HERIMAR
20/07/2019
22:50'
--------
Rohy:
645 1
Mpakafy: Herimar
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 08/09/2019 23:25
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015