MATOA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATOA AHO...

Ny fanahy no vady
Ny hatsaran-tarehy mandalo ihany;
Matoa aho nivoady
Efa vonon-tsy himalo, hiaro izany.

Matoa aho nisafidy
Hanadino ny lasan'ny akanimpoko
Na inona hangidy,
Ho sedraiko am-pahamamiana hovaiko loko.

Matoa aho tsy naharitra,
Efa ela niaretana Ka nahatratra fetra,
Fa ny mahafinaritra,
Tsy voatery hahasoa toy ny zava-drehetra.

Matoa aho nitia,
Nikasa anao hasoaviko raha mbola vitako;
Matoa aho nania,
Nasehonao ahy izay mbola tsy hitako.

NY HERIMAR
07/12/2020
--------
Rohy:
144 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108