MPAMAKY VATO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Odray ireny mpamaky vato,
Misedra ady tena sarotra;
Indrisy anefa tsy afa-miato
f'efa vita ny adivarotra.

Miloatra mafy izany dininy,
Mihovitrovitra izato hozany;
Ny fonjam-by izay fihininy
toa mandefy izato lazany.

Sila-bato no fipetrahany
ibanjinany ny ho aviny;
"Avia ry Tompo", hoy ny fivavahany,
Mba hanome izay tadiaviny...

Indreto zanany vonto anatra,
Indrisy zareo tsy afa-mianatra
fa mpitady vola sahady,
Tsy miato eny na Alahady.

Tazano ange ity mpanefoefo,
Mbola sahy ihany mibaikobaiko;
Indrisy ity mpanarivon'ity tany,
E...lasa mpanambanimbany.


NY HERIMAR
2016
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Alahelo
415 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108