REHEFA MATY AHO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MATY AHO

Sahiran-tsaina ihany izaho
raha nibanjina an-dRafahafatesana;
Nihodivitra sy velon-talaho
nandinika ity lalana izay hankanesana.

Fa rehefa maty aho:
Ho tsiaro ireo zava-bita;
Ary ny marina tsy tsaho,
Ny hafaliana mety ho hita.

Ny hendry handeha hitomany
raha mahatsiaro irony fisiako;
Fa ny adala dia hivanivany
Manokatra ity fasam-podiako.

Fa rehefa lo ny tavako,
Ny sofina tsy hahare feo;
Ny eritreritr'ireo havako
ho feno embona sy toreo.

Ny masoko tsy maintsy hikimpy,
Ny oroko tsy maintsy ho loaka;
ka tsy hahita ireny hanim-py
sy rendrarendra ary toaka.

Dia ho rava ny fieritreretana,
Ho foana ny adin-tsaina
Fa Razoky Rafahafatesana
no manantso sy manapitr'aina.

NY HERIMAR 11/06/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Alahelo
717 1
Mpakafy: lucainscae
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146