TSISY VALINY (NY HERIMAR)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSISY VALINY

Any ianao malala tsy haiko na mahay
Any ianao any, moa ve miasa saina
Ny tenako indrisy fa mangaihay
Ny fo sy fanahy tsy mitsaha-mitaintaina

Asa ianao any na mba salama ve
Tsy voaraiko intsony ny vaovaonao
Mandefa "Bonjour", dia iny tsy re
Raikitra, hono, fa be rahatao.

Alefako foana moa ny hafatra miafina
Tena mivangongona, tsy iray izy ao
Ianao mamanala, efa hita tsy tarafina,
Izaho moa tia ka mihafy tsotra izao.

Miandry mpanao fb hamoaka sary,
Na ireny hatsikana mampihanihany
Jereko ny mp, indro ianao mba namaly
Dia lasa indray, tsy te herika hatrany.

Voarainao anefa ireny hafatro ireny,
Misy aza hita fa indrisy tsisy valiny
Malahelo moa ny fo fa tsy sahy miteny
Matahotra mafy atao hoe mpila vaniny.

Amin'ny roa maraina izao ny famataran'ora,
Maneno ny sahona, izaho tsy matory,
Gina moa ny vava, maina koa ny rora
Miandry anao hamaly, ilay mpanala sorisory.

Maneno ny akoho, fa 'zaho eto foana,
Niandry anao hamaly ny alina tontolo,
Na rano tsy voasotro, tsy re izany noana
Ny vatana reraka, mihitsana ny volo.

Dia toy izany foana tato ho ato izay,
Raikitra, hono, ka tsy afaka miresaka
Eto aho mibanjina ireo lasanay
Maratra ny fo, ny fanahy ketraketraka.

NY HERIMAR
29/04/2023
--------
Rohy:
663 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 03/05/2023 23:19
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122