DINDOM-PITIAVANA! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DINDOM-PITIAVANA!toa tsiaro mitambesatra an-tsaina
itsy masoandro efa ho dila, ka mampanembon-takariva
toa tsiahy mitondra nofy ny alina, toa sentoko mandra-maraina
ilay horoka malefaka natolotrao indray hariva
toa embona sarotra hadinoina ny lasantsika fahiny
ary embona tsy afaka an-tsaina ireny sangy niombonana
toy ny aloka niserana fotsiny ny tena antom-pisiany
ka izay mba nifampizarana no mariky ny fanombohana
toa embon'ilay moron-tsiraka, ny moron'itsy farihy
tomaratr'ilay diavolana
toa mampisento ny foko ny misaina ilay tena fitia
nosomparan'ankaso kanefa aiza no misy vahaolana!
resy noseranin-dambo ilay vero vao niana-nijoro,
ka tsy nahatsangana intsony fa folaka an-dantony
ny foko naniry ny ho tiany, kinanjo lavon'izatsy mpikoro!
ka nilefitra tsy ho re intsony ny fitempony sy fidobony
nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
ANDRONDRA 25/10/2017
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 25/10/2017 17:40