SOMBINIAINA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOMBINIAINAanaka,
mbola tsy hary ianao
no efa nitsimoka
teo an-jaridainan'
ny fo mifankatia
hasambaran-tsy hay tohaina
no natosaky ny nofo
ka tonga hazavàna
nandresena ny aizim-pito
ka indro sombin'ny aina
avy amin'ny olon-droa
izay nitambatra ho iray
izay namolavola anao
ho tonga sombiniaina
ianao no tsangam-bato
nikirizana hatry ny ela
ianao no solon-tady
mamatotra ny fo
ianao no vona mampiray
ny fitiavan'olon-droa
Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 21-01-2020
--------
Rohy:
Mpakafy:
raims randriamalala
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 21/01/2020 18:05
