TOY IZANY KOA NY FOKO! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOY IZANY KOA NY FOKO!

banjino ny volana somamby
hanabakabaka iny,
raha sembanin-drahona
ny tara-pahazavàny
moa tsy miaina anaty aizina
ny kintana sakaizany?
toy izany koa ny foko
raha vao sarak'olon-tiana
misento, mitoloko
fa lavi-pifaliana
ary izaho ilay nanantena
naniry ny hotiavina,
naniry ny ho ekena
saingy indrisy fa nolavina

mba andramo aza tondrahana
ny voninkazo an-jaridaina
ilay maminao indrindra
ary andramo tsy koloina
ny raozy anaty vazy,
moa tsy tazanao malazo?
toy izany koa ny foko
raha tsy notiavina
ka nitia antsokosoko
ireo karazan-dravina
tsy fankafy akory
fa ianao ilay nantenaina
no indro mampahory
ity foko be taraina

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
26-09-2018 teto tanjombato
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Alahelo - Aingam-panahy
1728 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0132