Ampidiro aloha ny tenimiafina
TOY IZANY KOA NY FOKO! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOY IZANY KOA NY FOKO!banjino iny volana somamby
hanabakabaka iny,
fa raha sembanin-drahona
ny tara-pahazavàny
moa tsy miaina anaty aizina
ny kintana sakaizany?
toy izany koa ny foko
raha vao sarak'olon-tiana
misento, mitoloko
fa lavi-pifaliana
ary izaho izay nanantena
naniry ny hotiavina,
naniry ny hoekena
saingy indrisy fa nolavina
dia andramo aza tondrahana
ny voninkazo an-jaridaina
izay maminao indrindra
ary andramo tsy koloina
ny raozy anaty vazy,
moa tsy tazanao malazo?
toy izany koa ny foko
raha tsy notiavina
ka nitia antsokosoko
ireo karazan-dravina
tsy fankafy akory
fa ianao ilay nantenaina
no indro mampahory
ity foko be taraina
RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
26-09-2018 teto tanjombato
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 26/09/2018 15:24
