'NDEHA LAZAO - Ainampaniry AnjaraNivo
Azo vakiana?
'NDEHA LAZAO
Ity no tranga be fiseho:
Fanaparan-tsindry tototra
Ampiharina amin'ireo
Izay mikiry sy mifofotra
Hahatsara ny androaniny,
Mitady izay mba kely hoaniny.
Kanefa dia feperana
Amin'ny asa fivelomany,
Kanefa dia raràna
Tsy hampivoatra ny ankohonany.
Lazao f'izany no olany
Fa mety mba hanafaka ny sombin'ny fatorany
Amin'ny fahantràna misy
Mba mety hampidify ny karazan'alahelony
Mety hanàla ihany na dia 'ray ampahatelon'
Ny ngidin'ny kapoakany.
Ka ataovy ny ampamoakany
F'eto misy tsindry tototra
Hamonoana ireo mifototra
Amin'ny varotra madinika
Ka indreo voailikilika
Amin'ny seha-piariany.
Lazao f'izay no tiany
hodradraina ankarihary
Izay no tiany habaribary
Fa tsy ahafahany manoatra.
'Ndeha lazao fa tafahoatra!
Ainampaniry Anjara Nivo
Mombamomba
Mpanoratra : Ainampaniry AnjaraNivo

Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 29/09/2021
Mpamangy : 260
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
FIFAMELÀNANy...
REHEFA TSY ANJARA
HAY NY FITIA
NY FO
MARARY NY AINA
MAHAIZA MAMAKY
NIOVA
SAINO KELY
NISARAKA IANAREO