You are here: home > Vetso

Mahereza - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

Mahereza re ry nama
Mitonia ianao alony
Aza taitra ry sakaiza
Aza mitomany akory
Efa fantatrao izao
Fa tsy tia anao izy
Ka aza rarahina akory
Fa tsy anjara izy
Ny fitia tsy azo atao didy jadona
Fa miankina amin'ny fo ihany
Ka aza mikasa ny hamono tena
Fa mbola misy miandry anao any ho any
Mahereza ianao ry namako
Ry sakaizako tsy foiko
Tsy vahaolana ny famonoan-tena
Fa aina no fetra

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha