You are here: home > Vetso

Ny fahefako - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

_fa inona moa ny
zava-mahery
Ilay vola aman-karena
Sa Andriamanitra an-tampon'ny loha
_inona no havaliko izany
Eny raha hilaza ihany
Dia mety ho sarotra
Satria samy ilaina izy ireny
_ny fitiavako anao re
Ry ilay seza fiandrianana
Mety atahorako ihany
Sao toy ny ratsan-kazo
_ny ratsan-kazo tokoa
Dia ireo vola aman-karena
Ka raha maina na malazo
Dia ariana any amin'ny afo
_mety hanenina aho angamba
Raha ho tia azy roa
Fa hoy izahay katoliaka
Tsy misy afaka manompo tompo roa
_koa andeha ary hisafidy
Ny tsaratsara kokoa
Andriamanitra sa ny vola
Anareo ny safidy

Hametraka hevitra

Midira aloha