You are here: home > Vetso

ANJARA7

                            IZY ILAY FITIAVANA
Fitiavana iray fitiavana tokoa
Ilay fitia madio,tsy voatery ho an'olondroa
Fitia iray tsy manampetra ntsy voasanda volabe
Moa mba fantatrao va re lay fitia agape?

Fitia iray nanaiky ho lavo,
Nahafoy ny tontolo,
Noesoina nohamavoina
F'ilay fitia tsy ho bobongolo

Fitia iray nanetry tena,
Saingy hitondra fandresena'
Ka katsaho sy irio'
Ndeha arao ka fidio

Raha mifoha ny maraina ,
Dia ny lanitra andrandraina,
K'ilay masoandro omeny anao'
Io lay fitiavany ka derao

Raha mamely ny devoly
'Ka mandroso manangoly'
Dia lay fitiavana madio
No hiaro anao tsy ho voly

Eny raiko raha izaho,dia mivoady aminao
Fa ahatsiaro lalandava fa fitiavana ianao
N'inona n'inona midona na ny lanitra ho manga
Ilay fitiavanao ahy dia hinoako fa tsy banga

Hevitra mandeha

ANJARA7 (05/07/2009 12:50:06)

aNDRIAMANITRA DE FITIAVANA

ANJARA7 (05/07/2009 12:50:07)

aNDRIAMANITRA DE FITIAVANA

tsiambaratelo (03/10/2009 06:11:12)

Andriamanitra o! Fitiavana ianao! Ka mievitra....
Tohizany i ANJARA7 nd

tsiambaratelo (03/10/2009 06:11:28)

Andriamanitra o! Fitiavana ianao! Ka mievitra....
Tohizany i ANJARA7 nd

tsiambaratelo (03/10/2009 06:15:00)

De arabaina miaraka é! Tratry ny anio 03 Oct 2009, faha 10 taona ny serasera,de mampidira tononkalo hafa njay é!

ANJARA7 (11/02/2010 09:19:09)

raha mifoha maraina izahay dia tsy afaka ao ambavanay ny hoe AMPY HO ANAY NY FAHASOAVANAOmankasitraka dia ho ela velona anie sera2 e!

Hametraka hevitra

Midira aloha