Fitia va izaho ? - a.j.ulrich-vts
Azo vakiana?
_tsy nampoiziko, tena tsy nampoiziko
Fa hay aho tsy misy mpitia
Mpanararotra sy mpanozina ahy no hitako
Ka hany marary aok'izany tsy nahatana
_fitia va izao ataonareo izao
Sa fanararaotana ahy hoe malemy
Nolazainareo fa adala aho
Ka noararaotinareo toy izany
_ny latsalatsa fihomezana
No hany mbetika ato am-poko
Toa biby fa tsy olona
No nandraisanareo ahy izao
_tsy nampoiziko, eny tsy nampoiziko
Ho toy izao izaho
Hambakain'ny tontolo
Ny fisiako eto izao
_ te hiova aho
Tsy tafiova
Mitady fitia aho
Toa zarizary loatra
Sokajy :
fiainana
Mombamomba
Mpanoratra : a.j.ulrich-vts

Nampiditra : Jemmy
Daty : 12/09/2016
Mpamangy : 1231
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VelomaMahereza
Tena fitia
Ilay hatezerako
Mila miova
Fitia voarara
Ny Fahasambarana
Ilay soratra
Ny faharetako
Tena tia