You are here: home > Vetso

Ilay nenina - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

1_ireny lasa ireny
Mitahiry fahatsiarovana
Izay tsy maty ato am-poko
Fa Mitamberina loatra re
2_ireny latsalatsa ireny
Tsy mba tao an-tsaiko akory
Fa indro voateniteny
Ka hany nenina toa tsiny
3_ireny tsiny rehetra ireny
No indro zakaiko etoana
Ireny latsalatsa ireny
No indro miverina amiko indray
4_tsy tafandry na andro na alina
Mahatsiaro irony lasa
Ireny tsiny nanozona ahy ireny
No hany nenina ankehitriny
5_fa nahoana loatra re
No manao izany ianao ry foko
Nametraka latsalatsa
Ka manome tsiny?
6_sarotra ny manala ny tsiny
Raha atsipy toa mahabe tanana
Raha dakana toa mahabe tongotra
Eny fa na tsofina aza mahabe molotra
7_sarotra ny manala azyfa fihavanana re no ilaiko
Mba tsy hitranga intsony
Ka ialan'ilay neniko

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha