You are here: home > Vetso

IRAY IZAHO SY IANAO - Myh'Andry

Azo vakiana?



Niarahana nilanja ny ziogam-pahoriana
Niarahana nisotro ny rano izay tsy tiana.
Niharetantsika teny ny dezam-piakarana.
Niraisana ny famindra ny halaviran-dalana.

Nifandrombonantsika ireo adidy maro.
Nitambaran-kery ny sedra izay nandalo.
Niombonantsika fo ny omaly sy izay lasa.
Nifanoloran-tanana ny fitsaboana ratra.

Ireo kalon'ny omaly, niombonantsika feo.
Tsy misy izay hoe tiako ka tsy sitrakao ny teo.
Fa niraisana daholo izay zavatra natao.
Eto tsy mba misy ny ahy na hoe anao.

Fa izay rehetra misy dia hitambarana avokoa
Hiarahana daholo eto na ny ratsy na ny soa.
F'izany ilay fitia izay nifanaovantsika dina,
Hifampizarana foana ny alahelo sy hafaliana

Dia hamafisiko eto f'izay niarahana namafy.
Mbola hiarana mijinja sy hiaraha-maka mamy
F'izaho sy ianao dia tokana, iray fo mandra-maty.
Hatreny am-piandohana ka hatrany am-parany any.



Myh'Andry 31/10/19
5:30 maraina

Hametraka hevitra

Midira aloha