IZANY RENY IZANY - Myh'Andry
Azo vakiana?
Izany Reny izany,
Raha misy manontany?
Dia tsotra be ny valiny,
Ilay niharitra ny omaliny,
Ary mbola io tsy mikoro
Fa mainka indray mijoro,
Tena vonona hiatrik'ady
Hibanjina izay ho avy.
Izany Reny izany,
Raha mbola eto an-tany
Dia tena mendrika haja,
Fa tsy akory aho be filaza.
Ilay nitondra sivy volana,
Sy nizaka irery ny olana.
Tsy mba tia taraina,
Tena mendrika hoderaina.
Izany Reny izany,
Dia ilay eo hatrany hatrany.
Amin'ny andronao rehetra,
Mahafoy fotoana tsy voafetra.
Ilay hany tokana fihantana,
Mitsinjo n'aiza n'aiza hombàna.
Dia ilay diamondra, vatosoa,
Sy mitondra fifaliam-po.
Izany Reny izany,
Dia olon-tokana eto an-tany,
Ary koa tsy hananam-piry.
Ilay tena niaritra hirifiry,
Tsy mba nitandro hasasarana,
Mba hitondra fahasambarana.
Izany Reny izany a,
Dia tena miavaka sy mamy.
Myh'Andry
25/05/2020
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 27/05/2020
Mpamangy : 232
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
HAFATRA MIALOHAEnga anie
Raozy feno tsilo
NOHO ILAY FITIA
MALAGASY HATRAIZA?
ILAY MALALANAO TALOHA
Elle , maman.
TETO TAMIN'IZANY....
SATRIA IANAO DIA NAMAKO..
ALAHELO