You are here: home > Vetso

NOHO ILAY FITIA - Myh'Andry

Azo vakiana?



Tiako a, na inona donan'ny sedram-pitia,
Dia izaho vonon-kijoro ary vonon-kihafy.
Raha izay adim-piainana, ny aty efa mafy,

Na inona ngidy tsy maintsy ho sotroina,
Mba ho enti-mandresy ny fankampanahy.
Dia teliko foana io fa aza manahy.

Na ahoana ho ankason'ny tany mandalo
Ka mbola midezana ny lalan-kodiavina,
Tsy maintsy mandresy ny tena fitiavana

Na hatraiza halaviran'izay mbola ho dia,
Hamaky haram-bato sa hetety ny havoana,
Ny ahy rehefa tiako, hiaretako foana.

Ka na inona ho ady mikasa ny handrava.
Na tsilo hitsangan-ko sedra hamefy,
Noho ilay fitia dia hivoaka ho mpandresy

Myh'Andry
02/07/2020

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha