You are here: home > Vetso

Tsy nafeniko anao - Nikopol

Azo vakiana?





Sokajy : ahy, Fitiavana, manokana

Hevitra mandeha

chipie1 (19/05/2005 19:11:03)

jojopile kely ilay tononkalo lol

raozigasy (04/05/2006 20:07:32)

Aza afenina azy
Na ny vazivazy
Ny rehetra ahiahy
Aza misy afenina

Aza afeninao
Ny fery anatinao
Raha adino re tsy nahy
Lazao fa sao dia ho nenina

Aza misy afenina
Fa soraty am-penina
Ka hikamban-diary
Tsiambaratelonareo

Aza afenin’akory
Ary aza avel’hatory
Ireo zava-maharary
Hifampizaranareo

Amin’izay ianao sy izy
Ho zanaka sy ankizy
Hiara-milalao
Isan’andro izao

fiaritiana (05/05/2006 08:56:59)

aza afeninao
ny tebitebinao
fandrao ho neninao

aza afeninao
reo toloko sy talaho
fa mba hifampizarao

aza afeninao
izay manjo anao
fa izy mbola io
hanavotra anao

ary aza afeninao
fa tena tia ianao
tsy mba vonona mihitsy
ny hanao azy ho kilalao

fiaritiana


vitsika (23/05/2006 11:05:49)

milay kosa an !