You are here: home > Vetso

TSY AFA-PERY - RF Ravakiniaina

Azo vakiana?

Alaviro tsy hohitako
Ny tsiky mahamiranandro
Alaviro fa tsy sitrako
Raha hampamirana ny andro

Akisaho tsy eloelo
Ny aloka mibaby latsa
Akisaho fa misary ho avelo
Mitady hamohafoha ny lasa

Atoseho tsy hanantona
Ny salovana vonto-mangidy
Atoseho am-para-hantsana
Mba hampimoana ireo tadidy

Kantsano tsy hamindra
Ny tongotra manavatsava
Kantsano tsy hifindrafindra
Fa  mampijoro ny efa rava

Poteho tsy hiarina intsony
Ny mahery tsy tompon-manjo
Poteho hangaina tsy hikomy
Mba hanaja izay marefo fo.

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : RF Ravakiniaina


Nampiditra : RF_Ravakiniaina
Daty : 15/08/2019
Mpamangy : 151
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

VETSO
ENTIN'NY FANAHIKO ...