You are here: home > Vetso

DIA IZAY ILAY TANTARA - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

DIA  IZAY  ILAY  TANTARA

Manjombona matetika ny lanitra ato antrano
I Neny aza mazàna hita hoe manganohano
Fa mampitony fo dia mampifaly ireto zanany
Mitondra sy mivimbina izay voatsirambin-tanany
Avy any am-patsakàna
Tena efa osa nefa mbola mikaràma
Satria efa maty vady
Ry zandry mbola kely dia kamboty Ray sahady
Saingy tsy afaka manoatra
Kopakopa-tanana ho an'i dada efa any ankoatra
Raha mahita androany
Ny vadinao atÿ 'nge ka tsy sasa-mitomany
Mitady zay ho arapaka sy ho vatsin-tsombin'ainy e.
Rehefa hariva ny andro d'efa lasa indray ny sainy hoe
"Aiza no hahitàna izay hatokona rahampitso?
Sa ve 'ndeha hamidiko re ito peratro ito?"

Ny alina tontolo izy tsy nipoizin-tory
Kanefa ny maraina dia tsy nalaindaina akory
'Ndeha hanasa lamban'olona.
Tena miady mafy sy mahavita manao sorona ny ainy raha i Neny
Ekena fa anjara ka tsy maintsy hoe nekeny
Saingy tafahoatra loatra!
Kopakopa-tanana ry dada efa any ankoatra
izay nandao anay tsy satry a!
Izao aloha no misy etÿ dia miezaka mahataty na mafaitra sy mangidy.
Mbola tena mihidy izany fiainam-pahasambarana ka tsy azonay hidirana
Izahay izao ilay mitady sy mikaroka mangirana amin'ny lafiratsim-piainana.

Manjombona matetika ny lanitra ato antrano
I Neny aza mazàna hita hoe manganohano
Fa mampitony fo dia mampifaly ireto zanany
Mitondra sy mivimbina izay voatsirambin-tanany
Avy any am-patsakàna.
Dia izay ilay tantara!

Ainampaniry Anjara Nivo