You are here: home > Vetso

Kabarintsika malagasy - a.j.ulrich-vts

Azo vakiana?

_kabarintsika malagasy
Tsy mba kabaribary foana
Fa kabarin-kasina
Amintsika malagasy
_ny voha-varavarana
Izay sasin-teny fanombohana
Dia avy eo azafady sy fialan-tsiny
Mba tsy hananan-tsiny
_ny hasina ho an'Andriamanitra
Asandratra any amin'ny avo
Ary fiarahabana kosa
Ho antsika rehetra
_rehefa vita ireo
Dia atao kabarin-jatovo
Tsy ho halavaina
Fa mampamolamolaina
_kabarintsika malagasy
Kabary mitondra hafatra
Ho an'ny mpiara-belona rehetra
Eraky gasikara
_rehefa vita ilay ranja-kabary
Dia tsy maintsy faranana ny teny
Ka fisaorana ombam-pirarian-tsoa
No indro hamaranana azy
_tiako ny tenin-drazako
Hajaiko sy andrianiko
Sotoaviko sy feheziko
Satria malagasy aho

Hametraka hevitra

Midira aloha