You are here: home > Vetso

‘LAY HAZO - 'Lay fo hafa kely

Azo vakiana?

Fa eto am-pototr’ity hazo nialofana iny,
ilay nidanika iny, ingahy be masoandro
no miainga moramora, avy ny fahiny
mandoro mahamay, manaloka ny andro.

Tamberina ao an-tsaiko, ny omaly r’ilay tiako
fa kanto iny andro, nifanolorana fitia
ka ny alok’ity hazo, nanafina tsy nahiako
antsika roa nifaly sy sambatra ery.

Dia mbola eto, am-pototr’ity hazo
no miainga moramora, izany embon’
ny fofom-pitiavana, tavela tsy nalazo
na ny lasantsika aza, … lavenona

dia vazivazy marina, ity sary nosokirina
tamin’ny vatany, ho mari-pahatsiarovana
f’ity hazo mbola mijoro, ianao izay niriana
dify lavitra, an-tanim-piravoana ?

fa eto am-pototr’ity hazo, renoka natory
ny lasako omaly, fongarin’ny tsiahy
no mampamelovelo, ity foko oriory
mbola mikatsaka hatrany, ‘zay mba anjara ho ahy.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely


Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 1432
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TIAKO IANAO
trondro
EMBONA 2
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY
MBOLA HISY VE ?