You are here: home > Vetso

MBOLA HIJORO - 'Lay fo hafa kely

Azo vakiana?

Mbola indro fa mijoro, hidera Anao ry Tompo,
ihany izato tenako
na dia mila ho torotoro, ilay voady hoe hanompo,
fa mafy ny fiainako.
Ny teninao tsy sarak’ahy, fijery sy famaky,
mampahery sy ampingako
no mamelona ny fanahy, isan’andro vaky
sy manitsy  ny famindrako.

Ny rivotra iainana, na tsy hitako aza,
manempotra ihany,
mamily fisainana, misy ako toa milaza,
fa mandalo ny eto an-tany.
F’ireo teninao anatra, mitamberina an-tsaina,
ho fanilon’ny tongotra
hanazava izay lahatra, anjaram-piainana,
sy ho tononin’ny molotra.

Kaikitra ny tsiahy, ny omaly nodiaviko,
vonoiko ao an-tsaina
nampilofika fanahy, ankehitriny ho laviko,
fa manaisotra aina.
K’ireo teninao fanilo, voatahiry tsy miova,
vatsy sy sakafo
hijoro tsy an-drarak’ilo, ito tenako fa lova,
tehiriziko fa novidianao lafo.

Ny ampitso andrandraiko, anilanao ry Ray,
haharitra doria
ka ny paradisa ho lalaiko, dia ilay mandrakizay,
hanjakan’ny fitia.
Ambaran’ny teninao, fa ho lovan’ireo manoa,
dia ilay any an-danitra
hitoeran’ireo sitrakao, dia ireo izay niova fo,
dia ny vahoakanao Andriamanitra.

Ka ny androko sisa, izay tombony omenao,
mandra-pialako ety
hitadiavako ilay paradisa, nampanantenainao,
sy hanitsiako ny dia.
Ka ireo teninao voatahiry, nilazana famonjena,
ho aro fanina sy hanoro
hampitraka ahy haniry, ilay fanavotana efa nomena,
ary ho andry hampijoro.

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely


Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 734
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TIAKO IANAO
trondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY