You are here: home > Vetso

RAHOVIANA ? - 'Lay fo hafa kely

Azo vakiana?

Mitapikitra, mikiry mankamamy ny eto an-tany
Ra olombelona ka mikimpy falifaly aok’izany
ka raha tojo sedra dia mikiaka Ray o ! ampio
fa tsy zakako ny onja, mahery mafy ny tadio.

Mihevitra mihitsy fa eto an-tany paradisa
dia milanona tokoa, tsy mitsinjo ny ampitso
tojo olana nefa indro, Ray ho aiza Ianao
nahoana no avela fa mijaly ‘ty zanakao ?

Raha mba mibaliaka ny andro, korana kalokalo
ka ny anio dia anio ihany, ny ampitso ve tsy handalo.
tsarovy anefa, fa mety ho raho-mainty no hitatao
izay ve vao hiantso: Ray o ! nahoana no avelanao !

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely


Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 604
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TIAKO IANAO
trondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY