You are here: home > Vetso

KALOIKO MBA HO TSAPANY - Myh'Andry

Azo vakiana?

Kaloiko mba ho tsapany fa any anatiko any
Mba fo mitempo maniry mba ho anjarany
Te hizara aminy ny hafaliana mamy
Te hiantso azy hoe tiany sy malalany

Atao an-kira ho reny fa ao anatiko mangina
Misy vetsovetso miantso koa ny fony
Te hizara aminy ny tena fifaliana
Ka ho azy irery fa tsy mila hafa intsony

Ataoko sary mba ho hitany fa misy zaridaina
Izay mila voninkazo handravahako ny saha
Hamela fofo-manitra mamelombelon'aina
Dia fitiavana madio natao ho azy sy ho ahy

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha