You are here: home > Vetso

NY ORY TSY HAVAN'NY MANANA - Myh'Andry

Azo vakiana?

Ekeko hoe eo am-pelan-tananao ny harena sy ny vola
Ka mahatonga anao mihebohebo sy midola
Manambany ny tsy manana manao tsindrio fa lavo
Dia manaratsy foana ireo mahantra mavomavo

Eny e! Hanananao ny trano sy ny fiara maro be
Ka azonao atao aloha ny miseho mirehareha
Kanefa tadidio fa raha sanatria ka tonga ny fotoana
Tsy hampoizinao akory hoe iray minitra ireo dia foana

Fa izaho na dia mahantra mitrongy vao mba homana
Ilay hambanianao foana, zaranao mihintsy hiongana
Ity teniko ity mba saino kely sy diniho
Mbola ho avy ilay marainako fa anao aloha ny anio

Lazaiko anao koa fa izaho na hoe tsy manana
Ataoko ampy ahy izay kely eto am-pelan-tanana
Fadiako toy ny anabavy ny hoe hitady vary iray lovia
Na koa andeha hangataka ny anjaranao, sanatria

Ka akombony re ny vava fa aza dia mipetsopetsona
Izay nataonao ahy rehetra efa noraisiko ho lesona
Ianareo manana efa haiko fa tsy mba havanay ory
Ka tsy ataoko mahagaga tsy iasako saina akory

Tadidio tsara anefa fa boribory anie ity tany e
Mety ho faly ianao anio fa rahampitso hitomany
Tsy hanozona akory, tsy hiantso tody aza manahy
Kanefa mbola ho avy ilay fotoana hitadiavanao ahy

Sokajy : Ady

Hevitra mandeha

katrynah (27/12/2019 09:55:30)

J aime trop c est vraiment la vie

katrynah (29/12/2019 16:49:21)

Tena tiko be le tononkalonao mifono hanatra be le izy de tohizo fa tsara

Hametraka hevitra

Midira aloha