SATRIA IANAO DIA NAMAKO.. - Myh'Andry
Azo vakiana?
SATRIA IANAO DIA NAMAKO...
Be dia be no mahatsikaritra ny fifandraisantsika
Fa tsy mahalala akory izay am-poko sy ny anao.
Ny hany fantatr'izy ireny dia mpifankatia isika...
Fa tsy mby an-tsainy ny hoe izaho dia namanao.
Tantananao ny tanako rehefa an-dalana eny,
Moa va tsy toa ireny mpivady vao ireny?
Ny manodidina aza tolagaga sy talanjona,
Dia manesoeso hoe mahatratrara tanjona.
Nefa izaho sy ianao dia mpinamana eny ihany,
Mpinamana eny foana, mpinamana hatrany...
Ny eto tsy mahagaga raha tombatomban-tsaina
Fa vao misy lahy sy vavy mba tena mifandray.
Dia hitarina ny resaka, tena hankalazaina,
Hoe matoa mifampitantana dia miaraka izy izay.
Izay vavan'olona any tsy haharava finamanana
Raha mbola tondro-molotra tsy haharatsy fihavanana
Fa etsy raiso foana, dia tantano indray ny tanako.
Mbola hifanjohy isika satria ianao dia namako....
Myh'Andry
03/01/2020
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 03/01/2020
Mpamangy : 387
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
HAFATRA MIALOHAEnga anie
Raozy feno tsilo
NOHO ILAY FITIA
MALAGASY HATRAIZA?
ILAY MALALANAO TALOHA
Elle , maman.
IZANY RENY IZANY
TETO TAMIN'IZANY....
ALAHELO