You are here: home > Vetso

ISAORAKO - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Azo vakiana?

Isaorako ianao tsy poeta
nampianatra nanenji-drima
niala sakana ianao tia veta
vao tonga mpanao tononkira
.
Isaorako ianao Andriamanitra
nanolotra irony talenta
tsy avo tsy iva toa lohalika
toy ny alika tia veta
.
Isaorako ianao tsy poety
nampianatra anay nampivoana
napetrakao ny tsy nety
hisy ahitsiko raha tonga taona
.
Isaorako ianao tsy poety
nampianatra ahy ho poeta
niala sakana vao niha vaventy
toy ny tenako tia vetaveta

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha