You are here: home > Vetso

tsiky kely - a.j.ulrich

Azo vakiana?

_tsy ho farany tsy akory ny andro androany
ka ho voton'alahelo sy vetson-tomany
fa sedram-piainana sendra mandalo
tsy arahin-tsento na koa kalokalo
_aza mora kivy rehefa mafy ny manjo
fa ento am-pitsikina fa anananao ny zo
tsikitsiky sy hafaliana no mameno ny fo
hasambarana feno hamamiana no indro mitampofo
_ ka angatahiko aminao lay tsiky kely monja
mba hisian'ny fahasambarana feno ka manonja
ka tsikitsiky foana ery no indro vetsovetso
ka hany hafaliana rehefa tonga ny ampitso

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha