You are here: home > Vetso

Poezia - S'tia

Azo vakiana?

Raha nihevitra aho mazàna
Rehefa tononkalo
Mba hisintomana mpandalo
Dia ny rima mahatamana


Dia tena tsy tanty
Ny maheno ireo poeta
Manao rima anaty
Nefa kanto tena meva


Ireo sarin-teny maro
Andravahana ity kalo
Fanoharana: sahala,toy
Miampy rima mifanjohy


Kolontsaina tsara ambina
Izato kanton'ny poeta
Miampy rima mifampisakambina
Mampiseho fa manan-talenta


Tsy ny vakiraoka no kanto
Fa ny asa soratra sy ny rangotra
Izay vetesin'ireo zoky
Miampy rima mifampisakambina

Tononkalo tsara fefy
Ny tononkalo tsara tefy
Ny tononkalo tena kanto
Mandrotsirotsy ,milantolanto


                                 S'tia
                 Anosivavaka,29-04-2020





Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : S'tia


Nampiditra : Adalako
Daty : 29/04/2020
Mpamangy : 85
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

POETA KOA IANAO
Fanatontolona
Namana